Actualités

Mpiasan’ny fananan-tany Hiverina hitokona ny zoma izao


  • Alarobia 03 Jona 2015

Hiverina hitokona indray manomboka ny zoma 5 jona 2015 izao ireo mpiasan’ny fananantany manerana ny nosy, araka ny tapaky ny birao iombonan’ireo sendikan’ny «inspecteurs, contrôleurs ary assistants rédacteurs des domaines».

 

 

Tsy mbola nahazoana valin-teny mazava sy mahafapo mantsy hatramin’izao ireo fampanantenana nataon’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga eo anivon’ny fitondram-panjakana. Tsy tanteraka ohatra ny fifanarahana mahakasika ny fanesorana ny didy tsy fahazoana mangataka tanim-panjakana, ny sata manokana hoan’ny mpiasan’ny fananan-tany ary ny tsy fihainoana sy tsy fandraisana ny hevitr’ireo teknisianina momba ny «lettre de politique foncière»izay notsipahina an-kitsirano sy natao anjorombala tsotra izao. Mitaky ihany koa moa ny ny sendikan’ny telo tonta ny hamerenana ny fandinihana ity taratasy mikasika ny politikan’ny fananan-tany ity miaraka amin’ny teknisianina izay nalefa antsokosoko teo anivon’ny filankevitry ny governemanta. Tsy afaka miaro ny zon’ny vahoaka Malagasy mantsy io  politikan’ny fananan-tany amin’ny endriny ankehitriny io, hoy ny fiombonamben’ny sendika.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT