Mitohy ny fitakiana ataon’ny mpiasan’ny Banky Foiben’i Madagasikara na dia efa tsy manao fitokonana ety ivelan’ny trano fiasana intsony aza ry zareo.
Nambaran’izy ireo fa tsotra ny fitakiany dia ny tokony hanajana ny lalàna mifehy ny Banky Foibe. Raha nilazalaza ny amin’ny zava-misy ao aminy ankehitriny ireto mpiasa ireto dia nilaza tsy am-pihambahambana fa terena izy ireo hanatanteraka asa ao anatin’ny rafitra tsy ara-dalàna (tsy misy GV sy CA, DG tsy ara-dalàna) ary raha manohitra izany dia iharan’ny sazy mavesatra. Mahatsiaro ho toy ny takalon’aina izy ireo ao anatin’izany. Nambaran’ireto mpiasan’ny BFM ireto fa saro-piaro amin’ny andraikitra makadiry apetraka amin’izy ireo ry zareo dia ny fametrahana ny fahamarinan-toeran’ny ARIARY. Ankehitriny anefa dia sarintsarina fahamarinan-toerana no misy satria lazaina fa “mi-flotte” ny vola Malagasy. Tsy mivelatra mihitsy ny toekarena Malagasy, hoy ireto mpiasan’ny Banky Foibe ireto, satria tsy misy sandany (contre-partie) ny vola vaovao avoakan’ny fanjakana ka lasa vola baoritra fotsiny na ilay lazaina amin’ny teny Frantsay hoe : “planche à billet”.
Tetikady fitazoman’aina fotsiny no apetraka nefa ny vahoaka efa miady amin’ny fisondrotan’ny vidim-piainana ka miha-mahantra tanteraka. Tsy mampiasa ny volany eto amintsika ny mpandraharaha matanjaka noho ny fisian’ny tsy filaminanana ara-toekarena misy ankehitriny. Matahotra ny hampiasa vola izy ireo satria tsy azo antoka ny eto Madagasikara ndrao dia dorana tahaka ny tamin’ny 26 janoary indray, ny fankahalana Vazaha sy fandrangitana adim-poko manginy fotsiny ary ny harinkarena faobe efa mitotongana. Manjaka ato amin’ity Banky Foibe ity ny antsojay atao amin’ny mpiasa madinika mpaneho hevitra na miteniteny ny amin’ny fananganana ny sendika SEHMBIOSE fiarovana ny zon’ny mpiasa fa mahazo famindran-toerana voabaiko izay mahasahy miteniteny eo na homena fampiantoana asa vonjimaika. Leo tanteraka ny mpiasa ka tsy hanaiky intsony antsojay. Tsy misy afa tsy ny fanajanonana an’io antsojay io sy ny fametrahana ny fitantanana ara-dalàna eto amin’ity Banky Foibe ity no vahaolana hitan’reto mpiasa ireto hialana amin’ny disadisa misy sy miseho lany ankehitriny.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.