Actualités

Mpiasan’ny ADEMA “Tsy hihemotra izahay”


  • Zoma 17 Aprily 2015

Tapitra ilay fe-potoana 48 ora napetraky ny mpiasan’ny ADEMA kanefa tsy niantso azy ireo hifampidinika aminy ny filoha Hery Rajaonarimampianina, valin-teny azo ny fanambaran’ny tale jeneraly manome toky fa tsy hokitihina ny momba ny mpiasa na dia misy aza ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina.

 

 Tsy hihemotra izahay ary hihamafy ny fitakiana, hoy ireo mpiasa avy ao amin’ny cellule de crise-n’ny Adema, omaly. Mitaky porofo mazava, mivaingana sy ofisialy izy ireo. Tsy vitan’ny kabary fotsiny izy ity, hoy ry zareo. Nametra-panontaniana ireto mpiasan’ny Adema ireto hoe ny 17 aprily (anio) vao hosokafana ireo tolo-bidy ka nahoana no efa fantatra sahady ilay orinasa hiara-miasa amin’ny Adema ? Misy zavatra tsy mazava izany, hoy izy ireo. Ankilan’izay, nanambara omaly ihany ny minisitry ny fitaterana Ulrich Andriantiana fa tsy misy mihitsy ny tokony hampiahiahy satria fanatsarana ny asa no anton’ny fiarahana amin’ny sehatra tsy miankina, ho fanatsarana ireo seranam-piaramanidina manerana ny nosy, ary tsy nisy niteny mihitsy hoe omena ny vahiny ireo seranana ireo, hoy izy.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT