Actualités

Mpiasan’ny ADEMA Miala any indray ny fitokonana


  • Talata 14 Aprily 2015

Mafampana indray ny toe-draharaha eny Ivato eny. Manome 48 ora ny fitondram-panjakana mba handray fepetra ny mpiasan’ny ADEMA, dila izay dia hihamafy kokoa ny hetsika fitakiana ary tena mety hiafara amin’ny fampiatoana tanteraka ny asa amin’ny seranam-piaramanidina rehetra manerana ny nosy mihitsy.

 


 

 Anton’izao hetsika izao ny fitsipahan’ny mpiasan’ny ADEMA marin-drano ny eritreritry ny fitondram-panjakana hanome vahiny ny fikojakojana sy fitantanana ireo seranam-piaramanidina 12 eto amintsika. Miaiky izahay hoy izy ireo fa ilaina ny fanavaozana ny tontolon'ny seranam-piaramanidina eto Madagasikara. Toraka izany koa ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra tsy miankina ho fanatsarana ny foto-drafitrasa saingy lavinay marindrano kosa ny fomba entin'ny fanjakana hanatanterahana izany amin'ny alalan'ny fanomezana ny fitantanana ity orinasa ity ho an'ny vahiny. Azo avadika ho famotehana ny orinasa Malagasy izany hoy izy ireo no sady fivarotan-tanindrazana sy fanosihosehana ny fiandrianam-pirenena ka tsy azo ekena.Takianay ny hanafoanana ilay « avis d’appel à manifestation d’intérêt » sy ilay « appel d’offre restreint » hoy ireto mpiasa ireto, izany hoe ireo fanambarana fiantsoana orinasa, vahiny indrindra indrindra hisolo ny ADEMA amin’ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina. Takian'izy ireo ihany koa ny hanavaozana ny "contrart de concession" ho an'ny orinasa ADEMA  voasoratra tao amin'ny tatitry ny banky iraisam-pirenena tamin'ny volana novambra taona 2005 izay manamafy fa raha tiana handroso ny seranam-piaramanidina eto Madagasikara dia tsy azo zarazaraina.


Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT