Actualités

Mpiasam-panjakana Natao hanompo fa tsy tompoin’ny vahoaka


  • Talata 01 Aogositra 2017

Foto-pisainana napetraky ny delegen’ny boriboritany fahatelo hatramin’ny nandraisany izany toerana izany ny fanomezana fahafaham-po ireo olona rehetra mikarakara taratasy eo anivon’ireo sampan-draharaha misy eny an-toerana.

 Mihevitra ary resy lahatra rahateo i Rado Andriamamonjisoa fa natao hanompo fa tsy tompoin’ny vahoaka ny mpiasam-panjakana. Tanjona fototra amin’ny fomba fiasa ao Antaninandro moa ankehitriny ny fanafainganana sy fanalefahana ireo dingana fampisitrahana ny filàn’ny mpanjifa ny tinady tadiaviny, araka ny fanamarihany. Iray andro ihany ohatra dia mivoaka ny taratasy fampahafantarana zazakely vao teraka raha maharitra herinandro mahery izany hoan’ireo firaisana na kaominina hafa.  Ora iray dia vita ihany koa ny biletà fahaterahana niandrasana 48 ora teo aloha. Misy rahateo ny tabilao lehibe toro-làlana hoan’ny vahoaka hanampiana azy tsy ho roboka amin’ny fanomezana vahana ny kolikoly izay mampalaza ratsy ny sampan-draharaham-panjakana eto Madagasikara amin’ny ankapobeny, hoy ity mpitantana ny boriboritany faha-3 eto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ity.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT