Actualités

Mpiasam-panjakana Ho avy ny fitokonana faobe


  • Talata 06 Martsa 2018

Miala any indray ny fitokonan’ny mpiasam-panjakana. Mety hiroso amin’ny fitokonana ny Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka na ny SECES rahampitso 7 martsa noho ny tsy fivalian’ny fitakiany.

Hanatanteraka fitokonana ny randram-baon’ny sendika na ny SSM ivondronan’ny sendika manodidina ny 70 ivondronan’ny mpiasam-panjakana sy avy amin’ny sehatra tsy miankina ny zoma 9 martsa izao. Ny mpiasam-panjakana no tena hanao fitokonana. Andrasana ho taitra ny tompon’andraiki-panjakana amin’ny fandikan-dalàna mihoapampana isan’andro ao anatin’ny mpiasam-panjakana, hoy ny Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara na ny SMM Faniry Ernaivo. Anisan’ireny ny tsy fanatanterahana didim-pitsarana, toy ny tsy famerenana ny mpiasan’ny Air Madagascar noroahina tamin’ny asany, ny raharaha Jirama, ny SMMC Toamasina. Eo ihany koa ny lalàna tsy ampiharina any amin’ny SECES, ny an’ny sendikan’ny miaramila misotro ronono, ny zavatra nahazo ny mpandraharahan’ny fonja sy ny sendikan’ny mpitsara, izay efa nisy olona efa nanaovana fitakiana  ny hisian’ny fanadihadiana hivoahan’ny marina, nefa dia tsy atao izany rehetra izany, hoy hatrany i Faniry Ernaivo. Izany rehetra izany, dia midika fa maro loatra ny fanitsakitsahana ny zo fototry ny mpiasam-panjakana sy ny mpiasa rehetra, ka noho ireo antony ireo no hanehoana firaisan-kiana amin’ny alalan’io fitokonana faobe io, hoy hatrany izy.  Takian’ny SSM ihany koa ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana, izay efa voafaritra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2018.  Ampiharo ny lalàna fa miakatra izay tsy izy ny vidim-piainana: jirama, vidin-tsolika, vidin’entana ilaina amin’ny andavanandro, hoy ny Dr Rakotoniasy Jean Raymond, Sekretera jeneralin’ny SSM. Mbola maro amin’ny mpiasam-panjakana tapaka karama no tsy nahazo ny karamany nanomboka ny volana desambra , hoy ny SSM. Miantso ny mpiasa rehetra hitaky ny zony izy ireo, ka rehefa tsy misy valiny dia ho hita eo indray ny tohiny, hoy ity mpitarika ity. Hisy ihany aloha ny fiandrasan-draharaha  mandritra ny fitokonana hatao.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT