Actualités

Mpiasam-panjakana Hitokona etsy Anosy anio


  • Zoma 18 Janoary 2013

Tsy miandry ela fa vao tsy mahazo valiny avy amin’ny fanjakana taorian’ny fahataperan’ny 48 ora nomeny hanitsiana ny marikarama dia manao hetsika ny mpiasam-panjakana tarihan’ny vondrona sendika F3M.

 “Sit-in”, izany hoe fitokonana an-dalambe etsy amin’ny arabe anoloan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena no fotoana anio manomboka amin’ny 11 ora araka ny fangatahana alalana napetraka teny amin’ny biraon’ny Kaominina Tsimbazaza omaly tolakandro. Nilaza i Andriankinana Tsialofana, filoha mpiara mitarika ny F3M sady mpanomana ity hetsika hanomboka anio ity fa “efa nifanekena tamin’ny mpitondra fanjakana araka izay tapaka nandritra ny fihaonamben’ny mpiasam-panjakana teny Ivato tamin’ny aogositra 2012 ilay fanitsiana marikarama “grille indiciaire consolidée et alignéé” izay tokony ho nihatra nanomboka ny volana septambra 2012 nefa tsy misy resaka mihitsy hatramin’izao. Dia izao miditra amin’ny dingana manaraka izao ny mpiasam-panjakana hanerena ny mpitondra hanatanteraka ilay fifanarahana”.

Etsy andaniny dia efa mandeha tsikelikely koa ny “désobéissance générale” ataon’ny mpiasam-panjakana ka manodidina ny 32% no efa manaraka izany, hoy kosa Ramamonjisoa Florentin. Amin’ny alalan’ny tsy fandraisana asa indray no anehoana ity farany ka ny mpiasan’ny Kongresin’ny tetezamita no tena miray hina hatreto raha ny fanazavany ihany.

Yves 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT