Tratry ny tsindry avy amin’ireo mpiasam-panjakana ambony nahavita fianarana tao amin’ny sekoly manofana ho mpiasam-panjakana na ny ENAM ny minisitry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy Maharante Jean de Dieu ankehitriny noho ny resaka fanendrena olona.
Efa ho iray volana no voalaza fa nisian’ny disadisa satria tsy sitrak’ireo teknisianina ireo ny fomba nanendrena tompon’andraikitra ambony tsy nahavita fianarana akory teny amin’ny ENAM ho amina toerana teknika mila fahaiza-manao ao amin’ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy. Olona hafa ivelan’ny mpiasam-panjakana ambony na “adminisitrateur civile” mihitsy no voalaza napetraka amina toerana tokony hiandraketan’izy ireo, izay heverina fa noho ny kitranoantrano. Mitaky hanafoanana faobe ny didim-pitondrana nanendrena azy ireo ny “administrateur civile” rehefa tsy voavaha ny olana. Efa in-telo no nifampidinika ary efa nandeha hatrany amin’ny primatiora saingy tsy nivaha ny olana, raha ny vaovao mivoaka. Mety hiteny sy hanao fanambarana amin’ny fotoana mahamety azy ireo mpiasam-panjakana ambony manohitra ny kitranoantrano amin’ny resaka fametrahana olona ambony amina toerana politika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.