Actualités

Mpiasa mitokona ao Betainomby Nitondra fanazavana ny tetikasa Ambatovy


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2010

Ny zoma 27 aogositra teo izay mbola nitohy ny faran’ny herinandro ary mety tsy hivaha raha tsy mivaly ny fangatahan’ny mpiasan’ny Keangnam, ny fitokonan’ireo mpiasa eo anivon’ity orinasa manao asa ao amin’ny tetikasa Ambatovy ity.

Raha tsorina ny anton’ity fitokonana ity dia resaka asa sy mpiasa ary fitakiana tombontsoa sy fikarakarana manokana fa “zanak’i Toamasina”. Nisy rahateo ny taratasy misokatra nataon’ireo mpiasa mikasika izany.

Namaly ny tetikasa Ambatovy ny sabotsy 28 aogositra nilaza fa tsy manao ambanin-javatra ny olan’ny mpiasa izy ireo ka “raha nandray mpiasa ny tetikasa dia nojerena manokana ireo mpiasa mifanaraka amin’ny asa atao sy ny traikefa samy hafa, ka raha nisy tao amin’ny faritra hiasana izany, toy ny tao Toamasina sy Moramanga, dia nomena tombon-dahany ireo zanaky ny faritra. Ny tanjona ho an’ny tetikasa ary nanaovany fanamby fa ny 60%-n’ny mpiasa ampiasaina dia avy amin’ny faritra misy ny tetikasa, ny 40% hafa kosa avy amin’ny faritra hafa na ireo vahiny raha tsy misy eto amintsika ny traikefa sy fahaizana takian’ny asa”. Nohamafisin’ny tomponandraikitry ny tetikasa Ambatovy kosa fa “ankehitriny dia manomboka tratra ny tanjona napetraka, efa mananiky ny 55%-n’ny mpiasa noraisina izao no zanak’i Toamasina, raha toa ka 45%-n’ny mpiasa kosa no avy amin’ny faritra hafa ankoatra ireo vahiny nohafarana manokana. Ary izay hatrany no tanjon’ny tetikasa ao anatin’ny 27 taona hiasany eto Madagasikara”. Hentitra anefa ny tomponandraikitry ny tetikasa nilaza sy nanamafy fa “mangaraharaha sy natao ho an’ny rehetra izay ‘compétant’ ary ao anatin’ny tsiambaratelo tanteraka, ny fitadiavan’asa ataony. Izay no mahatonga ny fangatahan’asa misokatra ho an’ny rehetra amin’ny alalan’ny haino aman-jery sy jerena amin’ny tranonkalan’ny tetikasa”. Ho fanatsarana ny traikefan’ny Malagasy koa anefa dia “maro ireo fanofanana ampanaovina ny mpiasa sy ny tanora Malagasy, izay antony nanokafana ny ‘Training Center’ ao Tsararivotra Tanandava; ka tanora sy mpiasa 600 no hofanina ho teknisiana manana traikefa amin’ny fikojakojana ny orinasa, ka 180 na 200 eo isan-taona manomboka ny taona 2012 hatramin’ny 2015 no nahaovana ny fanofanana, ka ireo mpianatra teknika na ireo manana baka teknika no afaka miditra amin’izany”.
 
Ankoatra izay, dia miverina indray hatramin’ny nisian’ny tetikasa Ambatovy ao Toamasina ny resaka “fandraisana ny zanak’i Toamasina ho maro an’isa amina orinasa goavana miorina”. Mampahatsiaro ny zava-nisy teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina tamin’ny fotoan’androny izay nisian’ny hoe : “ny 80%-n’ny mpiasa sy ny Tale samihafa ao amin’ny Port dia tsy maintsy zanak’i Toamasina avokoa”. Tahaka izay ny Solima tamin’ny fotoana nampalaza sy nananany hery izay saika tsy afaka niasa ara-dalàna raha tsy 2/3 ny mpiasa sy ny “cadres” tao no zanak’i Toamasina. Izao miverina indray ny tantara ka asa na hanao ahoana, satria iretsy roa aloha orinasam-panjakana, fa ity farany kosa orinasa tsy miankina amin’izay orinasa mila teknisiana tena avo lenta amin’ny fitantanana sy fanodinana ary fikojakojana azy.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT