Afak'omaly alina no tonga eto an-tanindrazana ny vatana mangatsiakan'i Doris avy any Liban. Roa volana lasa izay no fantatra fa maty ity tovovavy vao roapolo taona mahery ity. Niezaka nikarakara ny hahatongavan'ny razana teto an-toerana ny rainy tamin'ny fikarakarana ny taratasy rehetra saingy nandalo fahasahiranana maro izany. Vokany, namoy ny ainy ihany koa ny rain'i Doris andro vitsy lasa taorian'ny nahafatesan'ny zanany. Fahoriana ny an'ny renin'i Doris afak'omaly teny Ivato. Nisy tamin'ireo fianakaviana ihany koa no torana mihitsy teo am-pitsenana ny razana. Nahitana ratra ny tarehin'ilay tovovavy. Ny tanany malemilemy sahala amin'ny tsy misy taolana. Ny lohany ihany koa nahitana faritra vaky. Ny kibony kosa nahitana zaitra be teo afovoany satria avy nanalana ireo taova tao anatiny. Ny masony indray mason-tsaribakoly. Ireo rehetra ireo no nahazo ilay tovovavy avy any Toamasina izay tamin'ny taona 2008 no nanomboka niasa tany Liban.
Fa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.