Ampiakaro 100% ny sandan’ny ariary ary foano ny MID. Antsoantso isan’ny nanakoako tetsy amin’ny minisiteran’ny angovo sy ny solika tetsy Ampandrianomby ireo omaly nandritry ny fitokonana fanairana notontosain’ny federasionin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa.
Antony nanaovana ny fitokonana teny an-toerana moa ny fahatsapana fa ity vidin-tsolika ity no fositra mampidangana ny vidim-piainana ankehitriny, raha ny fanazavana. Niantrana teny an-toerana, toy ny mahazatra, moa ny mpitandro ny filaminana. Avy amin’ny sandam-bola malagasy mitotongana no mahatonga ny solika miakatra io. Foano ny MID na ny “Marché inter-bancaire de devise” satria ny vahiny no tena mitazona sy mifehy azy io fa tsy Banky foibe akory. Ny teratany vahiny rahateo no manjaka eo amin’ireo banky marobe misy eto amintsika fa tsy ny Malagasy akory”, hoy Rabarison Tiana, filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa na ny Fizompam. Hiitatra ihany koa io olana sosialy io, hoy ny tenany, raha tsy voajery ny resaka solika ary efa misy ny tsilian-tsofina mandeha fa manambana ny hanitsy ny saran-dalana koa ireo mpitatitra. Nanantitrantitra moa izy ireo fa didim-pitondrana tokana dia azo hamahana izany rehetra izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.