Actualités

Mpiaro ny tombontsoan’ny filoha Tsy te hahalala ny 90%-n’ny vahoaka tsy an’asa


  • Talata 02 Jona 2015

Misesy samy manao fanambarana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana avokoa ankehitriny ireo minisitra mpikambana ao amin’ny governemanta sy ireo mpikambana avy ao amin’ny antokon’ny Filoham-pirenena nandritra izay nisian’ny disadisa eo

 

amin’Ambohitsorohitra sy Tsimbazaza izay. Ho an’ny  minisitry ny Vola sy ny Fitantanam-bolam-panjakana dia fanakorontanana ny fiainam-pirenena izay efa manomboka miarin-doha  izao ataon’ny Solombavambahoaka izao. Mihemotra  ny mpamatsy vola izay efa manomboka mahatoky antsika, hoy ny minisitra ary miteraka tsy  fananan’asa sy   hampitombo ny fahantrana indray izany. Ny fikambanan’ny Senatera sy ireo mpikambana  tao amin’ny  filankevitra ambonin’ny Tetezamita izay  mpanohana ny fitondrana Hvm  aza anefa  efa 90% -n’ny vahoaka no efa mahantra sy miofy akondro vava ary 92 % tsy an’asa. Tsy ampy hampanenoana  lakolosy ve izany  ireo salan’isa  ireo  fa aleo  mihitsy ho 100%  tokony hiteny ny Solombavambahoaka ? Mikasika izany vola avy amin’ny  mpamatsy vola izany, iza indray moa izao no  tsy mahatsapa fa resaka fampanantenana no tena betsaka fa  ilay vola  fanampiana toy ny  ivin-tsaka ny firotsany. Tsy misy tsininy ny fiarovana ny tombontsoan’ny filoham-pirenena sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta.  Tsy mba tokony hojerena ihany koa ve ny zava-misy iainan’ny vahoaka  e ?

  Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT