Nanampy ny Boriborintany I nanadio tanàna ny mpianatry ny sekoly ambony ESCAME omaly. Ho valin’ny fanentanana nataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mikasika ny tokony handraisan’ny tsirairay andraikitra amin’ny fanadiovana ny tanàna no anton’izany.
Teny amin’ny CnaPS Ampefiloha nihazo ny CENAM 67 ha no faritra nofidian’izy ireo nanaovana ny asa fanadiovana tamin’izany ka mpamafa lalana sy mpiara-miasa avy eo anivon’ny Boriborintany Voalohany, miisa 100 teo ho eo no nifanohana tamin’ny mpianatra. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny ESCAME dia anisan’ny asa fanasoavana ny fiarahamonina ary fandraisana anjara amin’ny fanadiovana tanàna izao hetsika nataon’izy ireo. Mahatsapa ireo mpianatra fa mponina eto Antananarivo Renivohitra ka manana adidy amin’ny asa fanasoavana ny tanàna. Misokatra ho an’ny rehetra moa izao fiaraha-miasan’ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo izao, raha tsiahivina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.