Actualités

Mpianatra malagasy traboina any ivelany Miantso vonjy ireo ray aman-dreny eto an-toerana


  • Alakamisy 07 Mey 2015

Mihetsika indray ny fikambanan’ireony ray aman-drenin’ny mpianatra mandranto fianarana any ivelany noho ny tsy fahazoan’ny zanak’izy ireo vatsim-pianarana ara-dalàna hatramin’ny taona 2011 nandefasana azy ireo.


Manao antso avo amin’ny mpitondra ny tokony hijerena akaiky ny mahazo ny zanak’izy ireo mandranto fianarana any amin’ny oniversite any ivelany any ny fikambanan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra na APEBEME  tarihan’ny filohany Randrianjanahary Alexandre omaly teny amin’ny 67 ha. Hatramin’ny taom-pianarana 2011-2012 nandefasana ireo mpianatra ireo ho any ivelany, hoy ity Apebeme ity dia 11 volana tamin’ny 44 ihany no fitambaran’ny vatsim-pianarana nomena azy ireo ka ny farany dia tamin’ny fotoana nitondran’ny praiminisitra Kolo Roger. Amin’izao fotoana, nangataka fihaonana tamin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiministra ary ireo Minisitra samihafa izahay Apemebe fa tsy mety mahazo valiny ka manao antso avo amin’ny haino aman-jery. Vonjeo ireo zanaky ny firenena malagasy izay traboina any ivelany any, fa aza avela ho afa-baraka eo anatrehan’ny hafa i Madagasikara. Aloavy ny trosan’ireo mpianatra ireo fa tsy afaka mamarana ny fianarany izy ireo, reraka ny saina amam-panahiny ary mikorontana ny fiainany. Mpianatra avy amin’ny Faritra 22 eto Madagasikara izy ireo ary zanaky ny olon-tsotra ambanimbany faripiainana avokoa.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT