Mbola betsaka amin’ireo faritra any Sina no tsy mahalala akory an’i Madagasikara sy ny hakantony.
Feo mandeha amin’ny alalan’ilay hazo sarobidy andramena no mba nahenoan’ny am-pahan’ny mponina ao Harbin ny momba ny firenentsika, antony nanosika ireo mpianatra Malagasy mandranto fianarana any an-toerana nanao hetsika nampahafantatra an’i Madagasikara. Tamin’ny alalan’ny fampirantiana ireo karazana lambahoany nisikinana, ny aloalo misy ireo karazana biby sy zava-maniry eto amintsika no nanatanterahan’izy ireo izany hahafahana misarika mpizahatany vahiny. I Fidiniaina Franco Rinô ilay mpianatra Malagasy voalohany nahazo vatsim-pianarana any ivelany mandranto fianarana ao Harbin Engineering University no tompon’antoka tamin’izany, tovolahy iray vao 26 taona monja. Hetahetan’ireo mponina any an-toerana ny mbola hitohizan’izany hahafahany mahalala bebe kokoa hatrany ny momba an’i Madagasikara.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.