Mahatratra 37 volana ireo vatsim-pianaran’ireo mpianatra manovo fianarana any Sina tsy voaefan’ny fitondram-panjakana malagasy hatramin’ny taona 2012. Nifarana ny 31 mey 2015 teo anefa ny fandoavana ilay 16 miliara ariary isan-taona fandraisana azy ireo any an-toerana
. Manodidina ny 60 tapitrisa ariary kosa ny filàna ara-tetibolan’ny mpianatra iray isan-taona. Tsy misy intsony moa ny fifampidinihana azo atao ka voatery hody an-tanindrazana izany ireto zanaka Malagasy ireto raha tsy voaloan’ny governemanta ity trosa misavovona ity. Ankoatra ny mety fandroahana hihatra amin’izy ireo dia fatiantoka iray goavana ny tsy fahafahan’ireo efa mamarana ny taom-pianarana miatrika ireo fanadinana fanohanana hahazoana mari-pahaizana. Manampy trotraka izay ny tsy maha ara-dalàna ny fijanonan’izy ireo any an-tanin’olona.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.