Actualités

Mpianatra Malagasy any Frantsa Lasa SDF ny ankamaroany


  • Talata 11 Septambra 2012

Toy ireny tsy misy mpiahy ireny ireo mpianatra Malagasy any Frantsa. Dimy volana tsy nandray vatsim-pianarana izy ireo ka miaina ao anaty fahasahiranana tanteraka.

 Tamin’ny volana aprily 2012 no tapaka ny fahazoana ity vola avy amin’ny fanjakana Malagasy ity dia tsy mbola tafaverina hatramin’izao. Nesorina tamin’ny trano fonenany amin’ny tanànan’ny mpianatra ny maro noho izany ka tsy maintsy monina any amin’ny olom-pantatra na fianakaviana na mitady asa an-tselika amin’ny alina mba hahazoana vola kely. Tsy vitsy koa no lasa tsy manan-kialofana fa mivezivezy amin’ireo trano fandalovana “maison d’accueil”.

Efa maro ny antso nataon’ny ray aman-dreny aty an-tanindrazana izay nahazoana fampanantenana tamin’ny mpitondra hamaha ny olana saingy mijanona ho fampanantenana avokoa izany. Ireo ray aman-dreny avy any Toliara manana zanaka mianatra any Frantsa izao dia vao nihaona tamin’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Razafindehibe Etienne Hilaire indray omaly. Ny CST Dina Jeanne moa no mpitondra tenin’izy ireo tamin’izany.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT