Actualités

Mpianatra malagasy any Chine Miantso vonjy


  • Zoma 05 Oktobra 2012

Araka ireo vaovao tamin’ny alalan’ny mailaka sy tranonkalam-pifandraisana iraisam-pirenena nifanaovana tamin’ireo mpianatra Malagasy mandranto fianarana eo anivon’ireo oniversite sinoa, izay nohamarinina ihany koa tamin’ny fitarainana nalefan’izy ireo tamin’ny havany sy ny ray aman-dreniny ary ny namany koa, efa ho herintaona izao, dia tsy nandefa ny fanampiana 250 dolara na Ar.500.000 (dolara=Ar.2.000) ho azy ireo intsony ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony.

 “Tsy tokony hotakiana anefa ireo fa zo tsy maintsy alefan’ny fanjakana Malagasy hanampiana ny mpianatra Malagasy aty Chine, araka ny fifanarahana teo amin’ny mpianatra sy ny fanjakana sinoa ary ny fanjakana Malagasy, ankoatra izay mety ho vatsim-pianarana raisin’ireo mpianatra any an-toerana”. Izay no nambaran’izy ireo naneho ny alahelony sy ahiahiny ary ny fijaliany noho ny olana ara-bola iainan’izy ireo. Voalazan’ireto mpianatra nanome ny vaovao nilaza ny fijaliany any Chine ireto fa an-jatony izy ireo no mandranto fianarana any amin’ny oniversite sinoa.

Voalazan’izy ireo ihany “fa efa nisy ireo fitarainana sy fanairana natao tamin’ireo tompon’andraikitra samy hafa taty Madagasikara sy ny masoivoho Malagasy eto Chine, fa tsy misy valiny sy tohiny ny raharaha hatramin’izao”. Vokany, miantso vonjy amin’ny mba andoavana ilay herintaona tsy nahazoana ny vola fanampian’izy ireo ireto mpianatra ireto, fa “efa mihatra aman’aina ny raharaha nefa ny fianarana mbola tianay ho vita hatramin’ny farany. Ny mitady asa an-tselika koa eto Chine sarotra ho an’ny vahiny mpianatra”, hoy hatrany ireto mpianatra namarana  ny fanazavany ny fijaliany.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT