Actualités

Mpianatra ho zandary mamo nitondro scooter Nandona kamiao, vaky loha sy potika tarehy


  • Alatsinainy 08 Jona 2015

Nisetrasetra mafy tamin’ny soavalivy nentiny ka tsy nahatana ny familiana intsony. Mpianatra ho zandary iray 25 taona, mamo nitondra moto scooter tsy nisy jiro ary tsy nanao aroloha no nifatratra tamina kamiao iray nijanona teo amoron-dalana,

ka naratra mafy vaky loha sy potika tarehy, ny sabotsy hariva teo, tokony ho tamin’ny 6 ora, nihazo ny lalana oniversite Maninday Toliara iny. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana dia nahazo fialan-tsasatra (permission) 10 andro ny tenany ka niaraka tamin’ny namany. Niakatra ny toaka nosotroina ka nanao « pointe » tamin’ilay moto. Raha ny vaovao voaray farany tamin’ny ora nanoratanay, dia mbola miady mafy amin’ny fahafatesana amina « clinique » tsy miankina iray ao Toliara ity mpianatra ho zandary ity, ary ahiana ny ainy, hoy ny mpitsabo iray manaraka akaiky ny fahasalamany.

 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT