Actualités

Mpianatra frantsay Tompondakan’ny fampiasana sopapa ?


  • Talata 06 Jolay 2010

Araka ny fanadihadiana farany natao tany Eoropa dia tafiditra ao anatin’ireo lohalaharana amin’ny fanaovana «fraude» na fampiasana sopapa, araka ny fomba fiteny ny mpianatra frantsay.

Miteny ho azy ny antontanisa : manao io fomba io ny 5%-n’ny mpianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra ao Frantsa, tafiakatra ho 48% kosa izany eny amin’ny «collège», raha 36% eny amin’ny «lycée». Mahatratra 42% kosa ireo mpianatra mifangala-tahaka na mijery kahie eny amin’ireo oniversite frantsay. Anisan’ny tarehimarika ambony dia ambony izany any Eoropa sy manerantany araka ny filazan’ireo nanao ny fanadihadiana, ka izany indrindra no mahatonga ny maro mametra-panontaniana hoe : manao ahoana marina izany no tena fahaizan’ny mpianatra frantsay, izay hitantana ny firenena rahatrizay ? Mety ho izany ve no mahatonga ny toekarena frantsay tafiditra ao anatin’ireo mihisatra sy marary any Eoropa ka mahatonga ny filoha Sarkozy hampitombo ny taona handehanana misotro ronono sy hanapa-kevitra ny hampihena ny fandaniana eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ireo seha-pihariana maro samihafa, ka hahazoana tahiry hatramin’ny 100 miliara euros ao anatin’ny telo taona ? Nisy anefa ny fotoana tena nahasangany an’i Frantsa sy namoahany manampahaizana an-jatony, tsy zoviana amin’ny maro maneran-tany ihany koa ireo filozofa sy mpanoratra malaza Frantsay izay nataon’ny mpanoratra maro manerantany ho fitaratra tamin’ny asa sorany. Raha ny fahitana io hakamoan’ny mpianatra frantsay sy ny firosoany amin’ny fampiasana sopapa io anefa, dia mety tsy hisy mpandimby intsony ireny manampahaizana sy filozofa ary mpanoratra nanana ny maha izy azy ireny. 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT