Actualités

Mpianatra eny Ankatso Hanohy ny fitokonana


  • Alakamisy 23 Aprily 2015

Tsy hijanona ny hetsik’ireo mpianatra eny amin’ny anjerimantolo, raha ny fanazavan’ireo mpianatra eo anivon’ny sojaben’ny mpitsabo omaly. Ekena fa nanome fotoana roa herinandro sy tapany ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka mba handoavana ny vatsim-pianaranay, hoy izy ireo, saingy tsy nofaritana mazava izany na ilay tena dimy volana takianay marina na tsia

 

. Toraka izany koa ny fampitaovana izay tsy voafaritra ihany koa. Mbola hitohy ny hetsika na dia somary nangingina aza omaly. Tsy nahitan-teny firy kosa ireo mpianatra ao amin’ny DEGS izay nanao fitokonana ihany koa. Ny hany nambaran’izy ireo dia ny hoe : nampanantenain’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ihany koa izy ireo, ity minisitera ity izay lasa mpanelanelana azy ireo amin’ny fitondrana amin’izao koa andrasana izay mety ho tohiny. Tamin’ny ankapobeny dia nianatra toy ny isan’andro ireo mpianatra teny Ankatso ary tsy nahitana korontana. Ireo mpitandro ny filaminana moa dia efa niandry taty amin’ny fiantsonan’ny taksibe taty ambanin’ny Anjerimanontolo. Andrasana indray anio izay mety ho fihetsik’ireto mpianatra eny Ankatso ireto.

Pati/ Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT