Actualités

Mpianatra eny amin’ny oniversite Manantena ny hiverenan’ny fampianarana amin’izay


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Manantena ny hiverenan’ny fampianarana amin’izay ireo mpianatra rehetra eny amin’ny anjerimanontolo taorian’ny filankevitra nasionaly notanterahin’ireo mpampianatra mpikaroka mivondrona ao anivon’ny SECES omaly teny Ambohipo.

Efa roa volana katroka mantsy izao no tapaka tanteraka  ny fampianarana sy ny asa fikarohana teny amin’ny anjerimanontolo ka mba tokony hojeren’ireo mpampianatra mpikaroka amin’izay ny fanohizana izany ho tombontsoan’ny mpianatra Malagasy. Mikasika ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony dia nambaran’izy ireo fa efa betsaka ny ezaka nataony tamin’ny fampiharana ireo didim-panjakana miisa telo notakian’ny SECES raha efa an-dalam-pivahana ny iray ambiny. Mino izy ireo fa hivaha tanteraka ny olana hahafahan’izy ireo miverina mianatra indray. Tsiahivina moa fa anisan’ny antony manosika ny ray aman-dreny maro  hampianatra ny zanany eny amin’ny oniversite tsy miankina ankehitriny ny fisiana fitokonana lavareny tahaka ny eny amin’ny anjerimanontolo izay hiainan’ny mpianatra amin’izao.

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT