Actualités

Mpianatra any Chine Lasa “Clandestins” ny ankamaroany


  • Talata 08 Septambra 2015

Fahoriana ny an’ireo tanora Malagasy nalefan’ny Fanjakana Malagasy nandranto fianarana any Chine. Raha tsy mbola voavaha hatramin’izao,

 

 na teo aza ireo fampanantenana miendrika fampandriana adrisa nataon’ny mpitondra nifandimby hatramin’ny tetezamita ka hatramin’izao, mikasika ny vatsim-pianarana, saram-pianarana ary hofan-trano tsy voaloa efa ho efa-taona izao, dia mitovana ihany ny olana, satria dia lany fe-potoana ny “Visa” na fahazoan-dalana hijanona any Chine ny ankamaroan’izy ireo, hany ka lasa “clandestins” mirenireny. Miparitaka amina oniversite 14 ireo mpianatra malagasy ireo, ary saika ahitana azy ireo rehefa mety ho tanàn-dehibe any Chine toa an’i Beijing, Shanghai, Wuhan, Guangzhuo, Hangzhuo, Zhejiang ary Nanchang. Amin’ity taom-pianarana 2015-2016 ity ny ankamaroany no mahavita fianarana. Misy ihany ny efa nahavita fa tsy nahazo diplaoma raha tsy voaloa avokoa ny trosa, dia nody maina tsy nitondra diplaoma. Ny ambasady Malagasy any Chine mba niezaka nifampiraharaha tamin’ireo oniversite nianaran’ireo tanora ireo, saingy efa ho lava ny fiangaviana sy fangatahana famindram-po ka nanjary fahafaham-baraka indray aza, tsy raharahain’ny olona intsony. Maro ny fitarainana nataon’ny mpianatra sy ny ray aman-drenin’izy ireo hamahana ny olana fa antso an’efitra avokoa ireny hatreto. Tranga toa manaporofo ny ahiahin’ny maro fa tsy raharahan’ny mpitondra eto ny tanora mpianatra, fa rehefa tsy ampiharana herisetra dia ariana any an-tanin’olona any.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT