Vokatry ny fanaovana fombam-bazaha (mandray bontolo fotsiny), sahisahy ny tanora amin’izao ary mihavery ny soatoavina sy fahendrena malagasy, raha ny tranga tao Toliara ny alahady teo ity no zohina.
Nody tampoka tao an-trano ity renim-pianakaviana iray fa tsy nahandry ny firavan’ny fotoam-pivavahana tany am-piangonana. Akory ny hatairany raha nahita ny zana-drahalahiny vavy (kamboty) sy ny zanany lahy izay miara-nipetraka sy notezaina hatry ny fahakely nifandamoro nifamototra teo am-pandriana. Kepoka ity renim-pianakaviana ary saika safotry ny alahelo noho ny hatezerany.
“Coup de foudre” hono
Amin’izao, tsy hay hoe inona no tena antony fa tsy vitsy ireo mpihavana akaiky mifankatia. Misy mihitsy ny mifanambady, ny sasany efa niteraka (lova tsy mifindra, hono !). Ny tena loza, misy ray niteraka sy zanany vavy mifanambady ary fanta-bahoaka, na raikely sy ny zana-badiny ... Tsy vitsy amin’ireo tovovavy, misy tsy ampy taona bevohokan’ny anadahiny na havany akaiky azy. Raha anontaniana ireo miaina io tranga io dia valin-teny tokana hatrany no azo : «tena fitiavana no manosika anay hiray».
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.