Actualités

Mpiadina bakalôrea Navoaka izay lava volo, nafoy hatramin’ny fanadinana


  • Alarobia 19 Aogositra 2015

Loza amin’atambo no nahazo ireo tovolahy mpiadina bakalôrea tao Vohémar tampon-tanŕna tamin’ity.

 

 Tsy navela hiditra ny efitranom-panadinana izay lava volo, ny hafa mba tafiditra indray dia navoaka nasaina nihety volo. Ny alatsinainy nanombohan’ny fanadinana no tena hentitra ny sivana. Nitety efitranom-panadinana mihitsy ny tompon’andraikitra iray ary tsy nihambahamba namoaka izay tovolahy mpiadina ka lava volo na koa mandoko volo. Maherin’ny folo no niharan’ny fisavana, nisy tamin’ireo no efa teo ampiatrehana ny taranja filôzôfia mihitsy no nasaina nivoaka ny efitranom-panadinana hihety volo. Tsy nandeha alavitra fa teo an-tokotany ihany no nohetezana, natao hety maimaika toy ny heti-miaramila. Tsy lavitra ihany koa fa avy amin’ireo mpanaramaso ny mpanao fanadinana ihany ireo mpanety, ary 2000Ariary isan’olona no sarany. Vita izay dia afaka miverina mamonjy ny efitrano manohy ny fanadinana. Niteraka fanelingelenana sy tsy fifantohan-tsaina teo amin’ireo mpiadina izany ho an’izay mbola afaka nanohy. Nisy tamin’ireo tovolahy ireo mantsy no tsy niverina rehefa navoaka ary dia nafoy teo ny azy ny fanadinana bakalôrea sy ny taom-pianarana iray manontolo izay efa nikelezany aina sy nikirizana ary nihafiana, noho io resa-bolo io ary koa nandanian’ny ray aman-drenin’izy ireo mondron-kery sy fananana mba hahatafita ny zanak’izy ireo. Velon-taraina ireto farany noho izao toe-javatra izao. Betsaka tamin’izy ireo koa no tsy mahalala hoe fepetra avy aiza sy oviana ity volo lava tsy maintsy tapaka ity raha hiadina bakalôrea ny tovolahy ? Misy amin’ireo mpiadina rahateo no avy lavitra, toa an’i Daraina, Antsirabe Nord, Ampanefena … manofa trano kely ao Vohémar mandritra ny fiatrehana ny fanadinana bakalôrea, tsy mandre na dia radio aza.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT