Actualités

Mpiadina bakalôrea 2015 Misy gadra tsy ampy taona 2 sy teratany vahiny 8


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2015

Hanomboka anio alatsinainy 17 aogositra ny fanadinana bakalôrea 2015, ary haharitra hatramin’ny alakamisy 20 aogositra. Miisa 654.633 ny mpiadina voasoratra anarana manerana ny Nosy izay

 

hitsinjara amin’ny foibem-panadinana miisa 258 ka ato amin’ny Faritanin’Antananarivo ny 94 amin’ireo. Misy mpiadina 649.664 amin’ny sokajy ankapobeny ary 4.969 amin’ny sampana teknika. Misy voafonja roalahy, tsy ampy taona 16-17 taona, anisan’ireo mpiadina, saingy tsy holazaina na ny anarany na ny toerana hiadinan’izy ireo, ho fanajana ny zony. Tsy mbola voatsara rahateo ny iray amin’izy ireo, na efa any am-ponja fony izy taona faha-11 aza noho izy voarohirohy tamina vono olona. Ankoatra ireo dia misy teratany vahiny valo koa amin’ireo mpiadina, ka sokajy A1 ny dimy amin’izy ireo, A2 ny roa ary sokajy D ny iray. Tovovavy kely 11 taona ny zandriolona amin’ireo mpiadina manerana ny Nosy. Amin’ny sokajy D izy ary etsy amin’ny oniversite Aceem Manakambahiny no miadina, raha ramatoa 72 taona ny zokiolona indrindra. Sokajy A1 izy, miadina any Sambava ary kandida tsy miankina. Niavaka ny fizotran’ny bakalôrea amin’ity, satria aorian’ny fanadinana ankapobeny no atao ny andiany faharoa amin’ny bakalôrea teknika, hanomboka amin’ny 24 aogositra 2015.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT