Actualités

Mpanondrana devizy tra-tehaka Arovan’ny mpanolotsaina sy ny zanaky ny filoha ?


  • Alarobia 28 Febroary 2018

Tovolahy iray 27 taona antsoina hoe Ntsay Kevin no sarona nitondra vola vahiny tsy ara-dalàna teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny 14 febroary 2018.

Saika handray ny sidin’ny AF 935 hihazo an’i Frantsa izy no nahatrarana vola vahiny na « devise » mitentina 7 500 Euros na 30 000 000 Ar tsy nanaovana fanambarana teny amin’ny fadin-tseranana. Raha ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana, dia tsy maintsy hanaovana taratasy fanambarana izany satria harena mivoaka eto amin’ny firenena.  Notanana avy hatrany tao amin’ny « Bureau de l’Unité de Surveillance de l’aéroport d’Ivato,  porte TBE1 » izy sy ny volabe.  Nanana zo hanana mpisolovava na olona iray hanatrika ny famotorana izy. Gaga sy talanjona ny mpiasan’ny fadin-tseranana fa dia ny mpanolotsaina ara-teknikan’ny filoham-pirenena, mitondra ny anarana hoe R.M, lehilahy 31 taona, no tonga teny Ivato, ka dia niara-nanao sonia ny taratasy fitanana an-tsoratra tamin’ilay tovolahy nahatrarana volabe.  Mpinamana izy ireo, ary samy namana akaikin’i Lova Rajaonarimampianina, zanaky ny filoham-pirenena tao amin’ny sekoly ambony INSCAE, raha ny sary miparitaka. Voaporofo ny hosoka satria niaiky ny tsy fisian’ny taratasy fanambarana ilay voasambotra. Tokony handeha any amin’ny “Tribunal Correctionel Antananarivo” ny raharaha, ary tsy nanaiky lembenana ny tsindry ankolaka natao azy ny mpiasan’ny fadin-tseranana, ka vaky bantsilana ity afera maloto ity ary niparitaka ny dosie. Mazava ho azy ny mety tsindry avy amin’ilay mpanolotsain’ny filoha sady naman’ity tra-tehaka nampiasa ny anarany sy ny fahefany ho fiarovana ny namany, io ilay antsoina hoe « trafic d’influence ». Miparitaka ihany koa ny resaka fa niditra an-tsehatra sy nampiteny ny anarany ny zanaky ny filoha. Ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ihany no hahafantarana ny marina ; afaka hiroso araka ny tokony ho izy anefa ve izany fanadihadiana izany satria misy anaran’olona maventy voatonontonona ao.


Toky R sy Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT