Nodimandry omaly i Léon Rajaobelina, Mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, efa filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Kaompania Air Madagascar teo aloha, Kaomisera jeneraly teo anivon’ny OCSIF, sampana natsangana hiandraikitra ny resaka fifandresen-dahatra amin’ny mpamatsy vola sy ny fanatanterahana ny tetikasa taorian’ny fivoriana tany Paris ny desambra 2016.
Efa nitana ny toeran’ny filoha lefitra sy efa avy Tale Jeneralin’ny « Conservation Internationale » ihany koa ny tenany, ary efa masoivohon’i Madagasikara tany Washington, Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, ary nitana ny toeran’ny minisitry ny vola sy ny tetibola tamin’ny andron’i Didier Ratsiraka (1989-1991). Efa tanan-kavanan’ity filoha teo aloha ity izy, ary mbola anisan’ny olona tena nitokisan’ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina. Ampahany momba azy sy ny andraikitra efa notanany ihany ireo notanisaina ireo, fa ny azo hamintinana azy dia ny hoe: olobe sy nanana ny naha izy azy teto amin’ny firenena i Léon Rajaobelina. Ny Gazety Tia Tanindrazana, dia miombon’alahelo sy mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany manontolo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.