Nanao fivoriana tsy ara-potoana nandritra ny telo andro, ny talata hatramin’ny alakamisy teo, ny mpanolotsaina monisipaly ao Toamasina renivohitra nandinihan’izy ireo ny fampiasam-bola ny taona 2009 sy ny tetibola fanampiny ny taona 2010 ary ny mikasika ny fandaminana ny tambin-ketra amin’ny faktioran’ny Jirama sy ny mikasika ny fomba fampidiram-bola amin’ny toerana famonoana biby fiompy.
Ny filohan’ny mpanolotsaina, Belahy Paul, no nitarika ny fivoriana. Henjana ny fifampiresahana teo amin’ireo mpanolotsaina noho ny hevitra tsy mitovy tamin’ny fandaminana ny fivoriana, ka nampisy fifampitsikerana mivantana teo amin’ny samy mpanolotsaina MTS (Malagasy Tonga Saina) ka nanakianan’izy ireo ny filohan’ny mpanolotsaina fa toa tsy miray hevitra amin’izy ireo raha nahazo ilay toerana ny filoha. Ny alakamisy nifaranan’ny fivoriana tsy ara-potoana dia tapaky ny mpanolotsain’ny kaominina tonga nivory fa manomboka izao dia 1.470 tapitrisa ny tetibola momba ny fampandehanan-draharaha, raha niampy 300 tapitrisa ariary sy mahatratra 5.192 tapitrisa ariary ny famatsiam-bola, raha niampy 550 tapitrisa ariary. Raha ny fanazavana azo dia vokatry ny ambim-bola tamin’ny fandaniana sy famatsiam-bola natao ny taona 2009 no nahitana ambiny ny vola teo anivon’ny kaominina, ka izao namenoana ny tetibolan’ny taona 2010 izao. Maro rahateo ny asa miandry azy ireo, ka anisan’izany ny vola natokana amin’ny fanatsarana sy fanamboarana ny Lapan’ny tanàna, izay nanokanana vola manodidina ny 150 tapitrisa ariary ary ny lanonana samy hafa amin’izao fetim-pirenena izao izay nanokanana vola manodidina ny 100 tapitrisa ariary ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.