Actualités

Mpanolotsaina HAT mamo Nampodiana rehefa nifona


  • Alakamisy 03 Jona 2010

Tsy natolotra ny Fampanoavana araka izay neritreretina ilay mpanolotsain’ny HAT izay notazomina tetsy amin’ny zandary Betongolo rehefa mamo ka nanao lozam-pifamoivoizana ny alin’ny alahady teo, tetsy Analakely.

Nifona izy io, raha ny vaovao azo, dia nampodiana ihany nony farany. Na izany aza anefa dia efa notazonina elaela tao Betongolo ihany ny tenany nanomboka ny alahady ka hatramin’ny talata teo. Nitaraina narary vavony izy ny talata dia nalefa nody. Ny alarobia indray no tokony hanolorana azy eny amin’ny Fampanoavana saingy io izy navotsotra fotsiny io rehefa...nifona. Dia toa manamarina ity tranga ity fa misy tokoa ny tsy maty manota amin’izao fotoana izao. Ny sasany maneho hevitra dia samborina tsy misy hatak’andro ary darohana. Ny sasany mba mitaky ny valin’ny fanadihadiana izay natao dia notafihana tsy misy hatak’andro ihany koa tao amin’ny tobiny. Ny pasitera samborina ary ampidirina am-ponja satria lazaina fa nandrisika olona hikorontana. Ny mpanao gazety gadraina ary ny onjampeo nohidina. Fa ny HAT manompa mpitandro ny filaminana sy nahitàna alikaola maherin’ny 4 grama tao anaty rany, ary koa mbola nandona fiarana manamboninahitra ambony am-perinasa, avela fotsiny madiodio. Izay ve ilay atao hoe : «professionnalisme» ? Anjaran’ny tsirairay ny mieritreritra. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT