Eto Antananarivo renivohitra ihany aloha hatramin’izao no tena ahitana ireo mpanao fampielezan-kevitra ary manatombo amin’ny fihetsiketsehana sy fitsidihana Fokontany ny mpanohana ny ENY.
Tsy manaiky lembenana koa anefa ireo mpanara-dia ny TSIA fa manao izay tratry ny heriny amin’ny fandresen-dahatra ny mpifidy fa tsy mety amin’ny Malagasy io lalàmpanorenana petatoko novolavolain’ny FAT io. Anisan’ny fonjan-kevitra entin’izy ireo amin’izany, ohatra, ny filazana fa tsy mety mihitsy ny tsy ahitana ny teny hoe : Fahamarinana ao amin’ny filamatry ny Repoblika, raha ny hita ao tokoa mantsy dia Fitiavana - Tanindrazana - Fandrosoana no ho teny filamatry ny Repoblika faha-4. Efa karazana fambara loza ho an’ny firenena mihitsy izany, hoy ny Maitre Avoko, izay anisan’ireo ao anatin’ny komity manohana ny TSIA.
Nisarika ny sain’ny rehetra izy fa ny fahamarinana no mahatonga ny fitiavana, araka ny tenin’ny soratra masina. Izy moa dia manizingizina fa ny lalana nitondrana ny firenena hatramin’izay mihitsy no tsy nety ary tena nisintaka tamin’Andriamanitra isika, ka izay no antony mampiverina ny krizy eto. Tsy afa-misaraka ny finoana an’Andriamanitra sy ny fitantanana ny firenena araka ny filazan’ny Maitre Avoko, satria Andriamanitra no namorona ny politika ary nampita izany tamin’ireo mpanjaka nifandimby notendreny hitantana ny zanak’Israely. Ny olombelona taty aoriana no nanita-kevitra ka namorona zavatra hafa hahazoana tombontsoa amin’ny alalan’ny fanaovana politika. Araka ny famintinan’ny Maitre Avoko Rakotoarijaona azy, ny fahalanian’ny TSIA na dia eto amin’ny renivohitra fotsiny ihany aza, dia manaporofo fa tsy eken’ny vahoaka ny lalàmpanorenana peta-toko, ary tsy ekeny ihany koa ny rafitra sy ny mpitondra tetezamita izay tsy manana vahaolana matotra sy azo tsapain-tanana hivoahana amin’ny krizy fa manao kabary ambony vavahady fotsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.