Efa niainga tany Cape Town ny alahady folakandro hihazo an’i Toliara ilay sambo CS Leon Thevenin hanamboatra ny fahatapahan’ny tariby mafonja misahana ny tambajotra mampitohy ny fifandraisan-davitra “internet” ho an’ny orinasa Telma,
hoy ny tale jeneraliny omaly folakandro teny Analakely. Ho tonga ao Toliara ny zoma izao io sambo io ary hanomboka avy hatrany ny asa fanamboarana izay mbola hitondrana fanampim-panazavana ihany. Efa afaka mampiasa aterineto nanomboka ny alahady folakandro teo moa ireo mpanjifa izay vahaolana vonjimaika eo am-piandrasana ny fanohizana ny kabla tapaka anaty ranomasina, araka ny fanamarihana avy amin’ny mpitantana ny Telecom Malagasy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.