Actualités

Mpangalatra omby manerana ny nosy Alefa eny Tsiafahy na atao sesin-tany


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Izahay dia efa nampiaka-peo teto Tsimbazaza fa tokony hofoanana ireo Labatora famonoana omby natsangan’ny Sinoa any Toliara sy etsy Vontovorona, hoy ny depiote Randrianandraina Théophile avy any Benenitra fa ireo no mahatonga ny firogatry ny halatra omby any Atsimo any.

 

 

 

 Tena omby halatra ireo hanin’Antananarivo isan’andro ireo  fa isan’andro vaky izao dia fiarabe tsy latsaky ny 30 no indray miainga ho aty an-drenivohitra aty. Ambarako etoana fa tsy hisy mihitsy mpiompy avy any Atsimo hivarotra omby 20 indray mandeha aminao izany. Mihanaka ny basy mivezivezy etsy sy eroa any an-toerana. Mbola takianay ny hampidirana miaramila raikitra ireo zazavao nahavita fanompoam-pirenena fa  ireny no lasa sahisahy mampiasa ny fahaizana nifitra tao amin’ny miaramila. Ao anatin’ny PGE navoakan’ny fanjakana dia voalaza fa migadra hatrany amin’ny 10 taona izay tratra  mangalatra andramena fa tsy mba voatonona ny amin’ny mpangalatra omby. Soso-kevitra homenay ny hoe : raha mbola any Toliara any no hanagadrana ireo mpangalatra omby ireo dia tsy hahafay an-dry zareo izany fa alefa higadra an-tany lavitra toy ny eny Tsiafahy avy hatrany izy ireo na alefa sesitany tahaka ny tany Nosilava taloha.  Amiko, tena henatra ho an’ny fanjakana izany hoe mpitandro ny filaminana viravirain’ny dahalo izany”. 


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT