Actualités

Mpanendaka tratra teny Itaosy Hitokona ny fianakaviany


  • Alatsinainy 04 Desambra 2017

Ny sabotsy 2 desambra 2017, tokony ho tamin’ny 12 ora sy fahefany maraina dia nisehoana trangana asa fanendahana teny amin’ny faritra Bemasoandro Itaosy, ka olona telo no voaendaka.

 Lasan’ireo jiolahy ny finday sy ny vola ary ny firavaka tany amin’izy ireo. Ny iray tsy nanana kosa dia niharan’ny vono sy daroka. Fotoana fohy taorian’izay dia nifanena tamin’ireo polisin’ny kaomisarian’Itaosy nandalo nanao fisafoana izy ireo ka nitantara ny zava-nanjo azy. Niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza ny polisy. Fotoana vitsy monja taorian’izay dia tsikaritra tokoa ireo telo lahy nanendaka ary raha vao nahita ireo olona niaraka tamin’ny polisy dia nirifatra nitsoaka. Raikitra ny fifanenjehana ary voasambotra ny roa fa tafaporitsaka ny namany iray. Mbola nikasa hitsoaka ny iray ka nanao ny fampitandremana sy ny tifi-danitra ny polisy. Mbola nirifatra ihany izy ka tsy nijanona. Vokany, nitifitra ny polisy ka naratra mafy ny lehilahy. Nentina teny amin’ny hopitaly fa tsy tana ny ainy. Rehefa natao n y fanadihadiana dia Rasta io, Jiolahy efa nahazoan’ny Ppolisy loharanom-baovao marim-pototra ary efa nifampitadiavana nanomboka ny volana novambra teo. Voatonona matetika amin’ny asa fanafihana mitam-piadiana sy vaky trano ary fanendahana anaty « embouteillage » amin’iny faritra Ampasika, Itaosy sy ny manodidina iny izy. Ireo olona telo voaendaka koa dia mbola nanamarina fa Rasta sy ireo namany no nanendaka sy nidaroka azy ireo. Mbola tratra teny aminy ny vola sy firavaka ary finday norobainy. Raha ny loharanom-baovao azo farany dia mikasa ny hitarika grevy ny fianakavian-dRasta sy ireo namany sasantsasany mpilalao “Rugby” noho ny zava-nitranga.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT