Hiroso amin’ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso ireo mpilaza vaovao tsy marina amin’ny tambajotran-tserasera “facebook” ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana,
araka ny nambaran’ny minisitra Harry Laurent Rahajason omaly. Diso mamboly fifankahalana eo amin’ny samy Malagasy ireny, hoy izy. Noresahany ihany koa ny fizarana karatra maha matihanina ho an’ny mpanao gazety. Anisan’ny fepetra ny hoe olona nanaraka fiofanana na manana maripahaizana momba ny asa fanaon-gazety, feno 3 taona tao anaty orinasan-tserasera ara-dalàna… Manana foibe mazava tsara ny orinasan-tserasera iasana, ary misy talen’ny famoahana ara-dalàna. Nandritra io fotoana io no nandokafan’ny minisitra ny haino aman-jery TVM sy RNM, izay nambara fa hany tsy niakatra teny anivon’ny fitsarana tao anatin’ny 80 taona ary milaza vaovao marina. Tsikaritra ho nisy kosa ny fanamavoana sy fanaratsiana ireo gazety maromaro eto an-drenivohitra, indrindra fa ireo tsy mitovy firehan-kevitra amin’ny mpitondra. Tsy nisalasala ny minisitra nanambany ny gazety, toy ny hoe izao ve no mba atao lahatsoratra fanokafana, efa tsy mahita hosoratana … Tsy hay aloha na mitovy ny haino aman-jery sy ny orinasan-tserasera rehetra eo anatrehan’ny minisitera na misy ny tombo sy hala. Tsy sanatria fitia te hitsingoloka na mialona amin’ny mety fitondrana mitanila na koa fananganam-pahavalo fa ny zavatra hita sy tsikaritra, dia toa tsy handefitra sy hitsingoloka ireo tsy mitovy firehana amin’ny fitondrana ny minisitera. Toa omena vahana kosa ireo manana firehana mirona any amin’ny fitondrana. Raha ny resaka ny lahatsoratra fanokafana omaly fotsiny izao, dia sahin’ny gazety mpanohana ny fitondrana no nanao lohateny goavana fa “Vaky ny fitsarana”, izay nodisoin’ny lehiben’ny Firaketan-draharaha. Nambara fa dosie iray mikasika ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no tsy hita, kanefa dosie marobe mombana fitsarana tao anatin’ny 3 volana no indray very. Toa tsy dia nifanalavitra ny lohateny sy ny vaovao navoaka fa nahoana no nokianina mafy ny gazety sokajiana fa tsy mitovy fomba fijery amin’ny fitondrana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.