Tsy hamokatra olona ho injeniera fotsiny fa hamoaka olona afaka hanangana orinasa ho an’ny tenany, hisandrahaka manerana ny Nosy ny sekoly ambony politeknika eny Vontovorona sy ny holafitry ny mpandrefy tany mpahay eto Madagasikara (OGEM) manomboka izao.
Vitsiana amin’ireo mpianatra miomana ho injeniera eny anivin’ity sekoly ambony iray ity mantsy hatramin’izay no lasa mpandrefy tany mpahay. Tena afaka manao io asa io tsara anefa ireo mpianatra ireo ary tsy voatery ho mpiasam-panjakana fa afaka manokatra orinasa manokana ho an’ny tenany mihitsy, raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny OGEM Ranaivoarison Lucien. Manoloana izany dia hiara-kiasa akaiky ny roa tonyta. Injeniera miisa 100 isan-taona no kasaina havoaka amin’izany, izay hovolavolaina ho lasa mpandraharaha hanana ny maha-izy azy mihitsy. Tsy manana afa-tsy kabinetran’ny mpandrefy tany 98 rahateo isika eto Madagasikara ankehitriny, izay mivangongo eto Antananarivo renivohitra ihany koa ny 50 %. Tanjona apetraky ny roa tonta ny hanangana orinasa mpandrefy tany miisa 1000 ao anatin’ny dimy taona, tetikasa hanomboka ny taona 2017 ho avy io, ka orinasa dimy hatramin’ny folo isaky ny distrika no tanjona amin’izany. Tontosa soa aman-tsara omaly tetsy Antaninarenina ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.