Actualités

Mpandrefy tany mpahay eto Madagasikara Misy mitady hanakorontana


  • Alakamisy 01 Febroary 2018

Misy mitady hanova sahady ilay lalana 2011/0015 mifehy ireo mpandrefy tany mpahay (geomètre) na dia mbola tsy niasa akory aza, raha araka ny fanazavan-dRasamimanana Rolland omaly, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny holafitry ny mpandrefy tany mpahay eto Madagasikara.

 Anisan’ny miteraka olana goavana izany hoy izy satria ny eo aza tsy miasa akory nefa tadiavina hampidirina sahady ny hafa. Ny tanjona amin’ny fametrahana io lalàna io anefa hoy hatrany Atoa Rasamimanana dia ny mba hahafahana mampifandrimbona ny asan’ny mpikambana ka ho an’ireo tanim-panjakana ohatra dia tokony ho mpandrefy tany amin’ny fanjakana ihany no hanao izany, tsy maniraka olon-kafa  …Ankoatra izay hoy hatrany ity tompon’andraikitra eo anivon’ny holafitry ny mpandrefy tany ity dia anisan’ny olana sedrain’izy ireo ihany koa ny tsy fananantsika  eto Madagasikara sarin-tany manara-potoana. Nivoitra ireo, omaly,  nandritra ny fampahalalana ny asa vitan’ny birao tao anatin’ny roa taona tetsy amin’ny hotel Le Pavé Antaninarenina. Nitohy tamin’ny fifidianana birao vaovao moa ny hetsika omaly hariva.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT