Leo ny antsojay amin’ny alalan’ny fitakiam-bola tsy ara-drariny ataon’ny olona ambony eto amin’ny firenena ny mpandraharaha sinoa sasany, ka maro no mety handao an’i Madagasikara.
Anisany ny orinasa nahazo ny tsenan’asa momba ny fanamboaran-dalana mampitohy an’i Talatamaty sy Ivato, izay nangoron’entana tanteraka ny sabotsy 24 febroary teo. Re mantsy fa volabe hatrany amin’ny 4,5 tapitrisa dolara isan-taona no alaina aminy tsy ara-drariny dia ilay antsoina hoe “ekolazy” ataon’ny olona ambony eto amintsika ho tambin’ny fanomezana tsenan’asam-panjakana. Efa fomba amam-panao tamin’ny tetezamita izany, ka rahonana ny orinasa vahiny lehibe iray vao tsy manome vola ny mpitondra ivelan’ny hetra isan-karazany. Voatonona ho niharany ny orinasa Ambatovy hoe nidina tany an-toerana mihitsy ny minisitra sy olona ambony isan-karazany tamin’ny tetezamita maka vola. Tratra ihany koa ny sinoa amin’izao fitondrana HVM izao, ka vehivavy iray malaza eto amin’ny firenena no tena malaza ho tena mpanao azy. Rehefa tsenan’asam-panjakana na fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana na fidirana amina sekoly ambony, dia re fa tsy maintsy mandalo ambany mason’io vehivavy io. Tsy mahatoky ny fanjakana HVM ny mpandraharaha sinoa sasany, tsy te hanary vola, mikaikaika koa amin’io resaka fitakiana “ekolazy” io. Maro amin’izy ireo no mety hiala eto Madagasikara, ary miandry filoha hafa voafidy vao miverina eto indray.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.