Tsy nisy ny fanaterana voafonja teny amin’ny fitsarana ary tsy nisy koa ny fandraisan’ireo mpandraharaha ny fonja voafonja vaovao, raha ny fampitam-baovao omaly, noho ny fisian’ilay fitokonana fanairana notontosain’izy ireo tetsy Antanimora omaly.
Raha tsiahivina, ny fitakiana ireo tambin-karama, ny tsy fanaovana zanak’ ikalahafa azy ireo ary ny famoahana ireo namany nofonjaina noho ny raharaha Houcine Arfa farany teo no anton’ny fitokonana. Nisy ny fiantsoana nataon’ny minisiteran’ny fitsarana ny solontenan’izy ireo ny faran’ny herinandro teo hiangaviana ireo mpitarika mba hanatsahatra ny fitokonana. Mazava kosa ny valin-tenin’ireto mpandraharaha ireto dia ny hoe ny fivoriambe na ny A.G no nanapaka ny fitokonana ka noho izany dia amin’ny alalan’ny fivoriamben’izy ireo ihany koa no hanatsaharana azy. « Maninona ny fitakian’ny mpirakidraharaha sy ny mpitsara no efa nivaly fa ny anay miandry ? » , hoy hatrany izy ireo. Nanambara ny iraky ny ministeran’ny fitsarana izay nihaona tamin’ireo mpandraharahan’ny fonja teny Antanimora fa efa voarain’ny filoham-pirenenena ny hetaheta sy fitarainana ; tsy manana valiteny mazava kosa anefa ny ministera.Mitohy noho izany ny fitokonana amin’ity talata ity, hoy ireo mpitarika ny sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja.Tsy ekenay ny fanaovana anay ho tahaka ny zanak’ikala hafa, hoy izy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.