Mbola voapetrapetraka indray ireo mpandraharaha eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Tsy mbola naharay ny karamany volana jolay mantsy izy ireo na dia efa manitsaka ny volana aogositra aza isika izao. Raha tsiahivina anefa ny tenin’ny ministra FAT misahana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Tongavelo Athanase tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray ny herinandro lasa iny dia ny sabotsy lasa teo no tokony ho tonga teny amin’ny tompon’andraikitra mpizara vola (agent comptable) ny karaman’ireo mpiasa. Toy ny mahazatra dia nifamotoana teny amin’ny Esplanade ireto farany omaly maraina nanantena handray ny volany kinanjo niveri-maina indray. «Hitanay tamin’ny fampahalalam-baovao ny fanambaran’ny ministra ary efa nanantena tokoa izahay saingy raha nanontany ny Agent Comptable izahay io maraina io dia nolazaina fa tsy mbola tonga any aminy ny taratasim-bola momba ny karama», hoy Randriatsimaito Tombonirina, mpikambana ao amin’ny Firaisankinan’ny mpandraharaha izay rafitra najoro hitaky ny karama nanoloana ireo mpiara-miasa aminy.
Nody maina indray ireo mpandraharaha 1500 eny Ambohitsaina noho izany satria tsy mbola nisy tokotaniny io resaka karama volana jolay hatramin’ny omaly tolakandro. «Leo ny fandrirarirana sy ny fampanantenana poakaty izahay satria efa impiry izay fanambarana henonay izay hatramin’ny alarobia lasa kanefa na ny «avis de crédit» mbola tsy misy akory», hoy kosa Rakotomalala Pascal, anisan’ireo mpikambana ao amin’ny Firaisankinan’ny mpandraharaha. Tsy nipetra-potsiny anefa ireo mpiasa fa naneho ny heriny ka nohidian’izy ireo avokoa ireo departemanta rehetra. Foana avokoa araka izany ny fampianarana sy ireo fanadinana izay tokony ho notontosaina tao amin’ny fakiolten’ny Teny sy Soratra ary ny mahaolona sy ny Fakiolten’ny DEGS. Tsy ilaozan’ny mpanatsatso ny hetsika toy izao satria nisy nanely teny amin’ny faritry ny oniversite omaly ny trakta milaza fa ny filoha teo aloha Ravalomanana no ao ambadiky ny fitokonana ataon’ireo mpandraharaha. Raha nantsoina tamin’ny alalan’ny finday Randriatsimaito Tombonirina dia nanamafy fa fitakiana tsotra tsy misy antony ara-politika no ataon’izy ireo. Anisan’ny nitondran’ireto mpiasa ireto valin-kafatra koa ny tenin’ny ministra izay nanamafy fa 1200 ihany ireo mpiasa ara-dalàna fa «matotoa» kosa ny ambiny. Nambaran’izy ireo fa tetika hanaronana ny fitavozavozana ataon’ny ministera izany. “Maninona no amin’izao vanim-potoana izao vao nanambara izany raha nisy tokoa ? Misy ny “conseil de discipline” koa ety anivon’ny oniversite ho an’ireo mpiasa tsy manara-dalàna ka azo anontaniana izy ireo fa tsy misy izany mpiasa 300 matotoa izany ety” hoy Rakotomalala Pascal nitondra fanazavana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.