Tsy maintsy mahay ny lalŕna ireo mpanara-maso ny asa eo anivon’ny CNaPS, hoy Andriamatoa Ramboarison Harisson izay nahafeno 40 taona niasana teo anivon’ny tahirim-pirenena.
Anisan’ny nanofanany ireo mpandray anjara ny mikasika ireo karazana lalàna misy eto Madagasikara toy ny didim-panjakana, volavolan-dalàna sy ny lalàna maro samihafa izay mifandraika amin’ny asan’ny CNaPS toy ny lalàna laharana 68/023 tamin’ny 17 desambra 1968 izay nahatonga ny fisotroan-dronono. Ankoatra ny fahafantarana ireo lalàna misy dia toetra takiana amin’ny mpanara-maso ny asa ihany koa ny psikolojia, satria ny mpanara-maso ny asa dia mifandray amin’ny karazana mpampiasa samihafa rehefa manao fidinana ifotony eny anivon’ny orinasa. Misy amin’ireo mpampiasa sasany anefa no tsy te-handrotsaka ny latsakemboky ny mpiasany amin’ny CNaPS ka tia manafinafina. Fihetsika izay mandika tanteraka ny lalàna velona eto Madagasikara. Taorian’izao 10 andro niofanana tao Antsirabe dia anisan’ny andrasana amin’ireo mpanara-maso ny asa eo anivon’ny CNaPS ny fampiharana mba hahatonga ireo mpampiasa hanefa ny latsakemboka satria ny latsakemboka no mivadika fanampiana izay zarain’ny CNaPS ho an’ireo mpandray zo toy ny mpiasa, ny bevohoka, ny zaza latsaky ny 21 taona, ny tra-doza am-perinasa, ny marary am-perinasa, ny zokiolona mpisotro ronono.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.