Actualités

Mpanara-maso iraisam-pirenena Manahy ny fahasalaman’ireo voasambotra tao amin’ny BANI


  • Zoma 26 Novambra 2010

Tonga nijery imaso an-dry Kolonely Charles sy ny ekipany ireo mpanara-maso iraisam-pirenena eo anivon’ny Croix Rouge izay notarihin’i Olivier Jenard.

Niresaka nandritry ny antsasak’adiny tamin’ireo manamboninahitra voasambotra ireo mpanara-maso miisa roa. Nifandimby nohainoina tsirairay izy folo lahy tao anatin’io fotoana izay nomen’ny zandary io. Raha tsiahivina dia efa tonga teny amin’ny fonjan’i Tsiafahy ihany koa ireto mpanara-maso iraisam-pirenena ireto afak’omaly saingy tsy tafaresaka mivantana tamin-dry Jeneraly Raoelina sy ny namany hafa izay tazomina ao. Momba ny fahasalaman’io farany dia re fa tapaka ny taolan-tratrany, potika ny tarehiny ary misy fahavoazana ihany koa any amin’ny hatony. Momba ity fizahana ifotony nataon’ny Croix Rouge ity dia hisy atsy ho atsy ny tatitra izay hosoratan’ireo ary omena ny andrim-panjakana iraisam-pirenena mifanandrify azy. Omena an’izany ihany koa ny fanjakana malagasy, raha araka ny fantatra. Asa raha mba hanetsika ny fianakaviam-be iraisam-pirenena izany tatitra izany satria raha ny fanjakana gasy no omena izany dia tsy hanova na inona na inona mihitsy. Izy ihany aza no naniraka ny fisamborana an’ireo… 

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT