Raha tsy dia re feo firy tao anatin'ny fotoana naharitraritra ihany ny Maitre Avoko Rakotoarijaona, dia niverina miresaka ny fahitany ny raharaham-pirenena indray, nanomboka omaly.
Tsy nipetra-potsiny izy sy ireo mpiara-miasa aminy, araka ny fanazavany fa nitety faritra maro manerana ny Nosy. Nambarany ihany koa fa nisy ny mpikatroka kung fu maty notifirin'ny dahalo tao Ambondromisitra faritra Amoron’i Mania. Nisy koa ireo mpanao kung fu nanampy ny Fokonolona tamin'ny fanarahan-dia ny omby sy ny fanenjehana dahalo tao Ambalasoa sy Analamary samy ao anatin’ny Distrikan’i Betroka, araka ny fanazavany. Ary tao Bevato sy Miandrarivo ao amin’ny Faritra Bongolava aza moa, dia ny kung fu mihitsy no miara-manomana paikady miaraka amin’ny Fokonolona. Olona miaina anaty fiarahamonina izahay kung fu, hoy ny Me Avoko ary tena mandray andraikitra feno amin'ny fanampiana ny mpiara-belona.
Izay no antony nisian'ny kung fu nijoro nanenjika ny dahalo sy nikatsaka ny fomba rehetra hamerenana ny omby nangalarina any amin'ny tompony. Raha ny asan-dahalo any atsimo no resahana dia tsy tokony hifanome tsiny be fahatany isika, hoy i Avoko Rakotoarijaona, fa samy tokony handinika ny zava-misy sady handini-tena, na ny mpitondra io na ny mpanao politika na ny foloalindahy na ny vahoaka, satria misy antony matoa miseho ireny zavatra ireny. Ilaina hatrany ny mahafantatra ny antony nitrangany mba hahafahana mikaroka vahaolana amin'ny tranga iray, hoy izy. Tsy nilaza mivantana moa ny Me Avoko fa hoe misy ambadika politika na tsia ny asan-dahalo any atsimo fa dia nanainga mavesatra ny tsirairay mba handini-tena izy. Ny mpikatroka kung fu moa dia manamafy hatrany ny fahavononan'izy ireo hiaro ny vahoaka, ary hijoro hatrany mba hanohitra ireo fahavalom-pirenena sy ny mpambotry vahoaka.
Tsara homarihana ihany koa fa nikarakara atrikasa ny 18 aogositra sy ny 1 septambra lasa teo ny kung fu ka nandritra izany no nampatsiahivan’ny Maitre Avoko ny teny fanaon’ny Grand Maitre Pierre be manao hoe : “matoa ianao manaiky ho mpianatro dia manaiky ny iraka nanirahan’Andriamanitra ahy, dia ny hamonjy ny firenentsika”. Goavana ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ireo atrikasa ireo ka nahatonga ny fanaparitahana taratasy fankaherezana sy horanantsary fanentanana sy fanabeazana izay haparitaka sy alefa maimaimpoana isam-pokontany. Nanamafy ny Maitre Avoko fa mitohy ny fitetezam-paritra ataony mba ho fanomanana ny paikady rehetra hanavotana ity firenena ity, izay ifandroritan’ny firenen-dehibe. Fantatra ihany koa izao fa hisy fanovana goavana hoentin’ny kung fu sy ny Maitre Avoko, amin’ny volana oktobra ho avy izao ho fandraisana anjara mivantana eo amin’ny raharaham-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.