Actualités

Mpanao “kidnapping” 10 lahy naiditra am-ponja ao Toliara


  • Zoma 17 Aprily 2015

Ao amin’ny fonjaben’i Toliara nanomboka afak’omaly rehefa avy nandalo teny amin’ny fitsarana i Anselme, jiolahy 40 taona ikoizana amin’ny fanafihana mitam-basy sy kidnapping any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.

 

 Ny 13 aprily lasa teo, tamin’ny 8 ora naraina, tao anaty kirihitr’ala rehefa avy niafina tao anaty tanin-katsaka, tany Morarano any amin’ny kaominina ambanivohitra Andranovory, 77 km avaratra atsinanan’i Toliara no voasambotry ny polisy ity « gangs » ity, rehefa nokarohina hatry ny ela. Tafakatra 10 ankehitriny ireo naka an-keriny an’i Houssein Anvaraly ny 17 febroary teo no mifonja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy, ka teratany karana mangidy hoditra amin’ny mponina voasaringotra sy voatonona anarana matetika amin’ny asa ratsy samihafa ao Toliara ny iray, raha mbola karohin’ny mpitandro filaminana fatratra ankehitriny ireo jiolahy tafaporitsaka amin’ity tambajotrana mpanao « kidnapping » sy « mafia » ity.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT