Efa tonga aho ity, efa eto aho izao, tsy misy izay tsy mahalala fa eto tonga eto aho hatramin’ny Amerikanina, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Faravohitra omaly
. Tena filazana tsotra izao amin’ireto mpikirakira vaovao ireto izany, faraharatsiny ny ankamaroany, fa afaka ny tsy mino ianareo fa tsy afaka ny tsy hahita fa ity aho eto. Vao maraina nangiran-dratsy mantsy omaly alatsinainy dia efa nisy nisera tao anatin’ireny “face book” ireny fa tonga eto an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Dia efa maro tamin’ireo mpanao gazety nisera tanatin’ireny onjam-peo samihafa ireny no nametra-panontaniana ny amin’ny fahamarinan’ny vaovao ary tonga dia nisy ny nihazakazaka avy hatrany teny Faravohitra misy ny fonenan’ity farany mihitsy. Dia nisy ireo nivoy tanaty onjam-peo ihany koa niaraka tamin’ireo mpanao “phonine” nilaza fa io indray ilay tsaho sy nofinofin’ny mpomba an-dRavalomanana efa ho 5 taona mahery. Tsapa indrindra tao anatin’ny fametraham-panontaniana nataon’ny ankamaroan’ireto namana mpanao gazety ireto ny fahadisoam-panantenana nahita vatana tena izy an’ity filoha teo aloha ity satria efa lalim-paka tao anatin’ny fon’ny sasany ny tsy fitiavana an’Atoa Marc Ravalomanana. Fa izay tena nampalahelo indrindra dia ny mbola fitohizan’ny asa fitsikilovana sy fanomezana “renseignement” ny mpitandro ny filaminana efa fanaon’ny mpanao gazety sasany hatramin’ny naha teo amin’ny fitantanana an’Antananarivo an’Atoa Andry Rajoelina ka hatramin’ny fitondrana tetezamita. Vao nikasa hidina an-dalambe hitady ny misy ny filoha teo aloha voasambotra mantsy ireo mpomba azy dia efa tafakatra iray sy valo teny Ambohijatovo Avaratra sy hatraty Ambatonakanga ny 4 x 4 sy kamio be nitondra miaramilan’ny Emmoreg. Sady mitrandraka vaovao mantsy ny mpanao gazety sasany no manao asam-pitsikilovana ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.