Mbola vao 8.000 monja amin’ireo mpanao asa tanana 2 tapitrisa eto Madagasikara amin’izao no manana karatra maha matihanina azy avy amin’ny minisitera mpiahy ity sehatrasa ity.
Voakasik’izany ireo lalam-pihariana miisa 12 ka miasa ora valo mandritra ny andro iray. Mba hahafahana manampy ireo mpanao asa tanana ireo ary dia nanambara Rarojoson Herimanantsoa, tompon’andraikitra eo anivon’ity minisiteran’ny asa tanana fa “zon’ny mpanao asa tanana ny manana io karatra maha matihanina io. Tombony ho azon’ireo manana azy io ny fahalalahana mitaona entana amin’ny sarety, ny fahazoana fiofanana avy amin’ny Tranoben’ny varotra, ny fanondranana entana mankany ivelany…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.