Actualités

MPANAO ASA TANANA 8.000 no manana karatra matihanina


  • Zoma 27 Martsa 2015

Mbola vao 8.000 monja amin’ireo mpanao asa tanana 2 tapitrisa eto amintsika amin’izao no manana karatra maha matihanina azy avy amin’ny minisiteran’ny kolontsaina raha araka ny fanadihadiana natao.

Voakasik’izany manokana ireo tafiditra ao anatin’ny lalam-pihariana miisa 12 toy ny fanaovam-bolo, ny fanamboarana fiara, izany hoe miasa ora valo mandritra ny andro iray. Mba hahafahana manampy ireo mpanao asa tanana ireo ary dia nanambara Rarojoson Herimanantsoa, tompon’andraikitra eo anivon’ity minisitera iray ity omaly fa zontsika mpanao asa tanana ny manana io karatra maha matihanina io. Tombony marobe mantsy, hoy hatrany izy no mety ho  azon’ireo mpanao asa tanana manana azy io toy ny sakana ataon’ny mpitandro ny filaminana eny an-dalana raha mitaona entana amin’ny sarety, ny fahazoana fiofanana avy amin’ny tranoben’ny varotra, ny fanondranana entana mankany ivelany… Mikasika ny fandoavan-ketra kosa indray dia nomarihiny fa efa manao ezaka be dia be ny minisiteran’ny kolontsaina amin’izao entina hanamaivanana izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT