Nandriaka ny ra tamin’ny lalam-pirenena faha-3, teny Talata Volonondry ny sabotsy tolakandro teo
. Roalahy nanao taingin-droa tamin’ny moto no maty tsy tra-drano, nifandona tamina fiara minibus hamonjy mariazy. Moto natao andrana ity nentin’izy roalahy ity no izao tra-doza izao. Voalaza rahateo fa mpanamboatra moto no anton’asan’izy ireo. Potika tsy nisy azo noraisina ilay moto.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.