Nodimandry omaly ilay mpanakanto ara-pilazantsara vao erotrerony Barry’s Andrianarivelo. Efa nihira tao amin’ny tarika Les Adélines izy taloha,
ary nandeha irery taty aoriana. Efa fotoana naharitra ny tenany no nolazoin’ny aretina, ary izao niafara tamin’ny fahafatesany izao. Ny Gazety Tia Tanindrazana dia maneho fiaraha-miory sy mirary fiononana feno ho an’ny fianankavian’i Barry’s manontolo.
FANDRODANANA TRANO
Olona manodidina ny arivo isa no indray tsy manan-kialofana vokatry ny fandrodanana trano tetsy Andrefanambohijanahary. Nitaraina ireo olona satria tsy mba nisy fampahafantarana mialoha fa ny Emmo-Reg avy hatrany no tonga teo an-toerana ary nandrodana ireo trano hazo miisa 300. Napetraka tamin’ny sisiny fotsiny sisa ny entana kely izay mba tao an-trano. Misy manonona indray ny anaran’ny Filatex ho tao ambadiky ny raharaha. Tezitra amin’ny lehiben’ny fokontany koa ny olona satria io farany no nahazo ilay taratasy fampahafantarana kanefa nokoboniny ho azy irery.
FENO NY VIOLON
Mikaikaika ny mpitandro ny filaminana satria manomboka feno ny violon rehetra eto an-drenivohitra. Ireo olona izay tokony ho “MD” ka nalefa eny Antanimora na Tsiafahy dia voatery haverina eny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ka hampidirina violon. Andro vitsy sisa dia tsy hisy intsony ny toerana hitazonana ny olona izay voakasiky ny raharaham-pitsarana sy ireo naiditra am-ponja. Dia havotsotra indray izany ny ankamaroany noho ny grevin’ny mpiandry fonja.
BAOLINA KITRA
Hotanterahina anio 24 martsa any amin’ny kianjan’i Saint-Leu La Fôret any Frantsa ny lalao ara-pirahalahiana eo amin’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Kosovo. Tsiahivina fa efa nisaraka ady sahala tsy nisy nitoko tamin’i Togo ny Barea ny 21 martsa teo. I Abel Anicet ihany no voalaza fa tsy afaka ny hiatrika ny lalao amin’ireo rehetra efa niatrika ny lalao voalohany.
Tsy nisy resaka intsony kosa ny momba ny mety hampitan’ny fahilatavi-panjakana TVM ny lalao taorian’ilay fahadisoam-panantenan’ny Malagasy tamin’ilay lalao nifanovana tamin’ny Togoley.
MPAMATSY RONGONY
Nosamborina tetsy Ambohimangakely ny lehilahy iray antsoina hoe Betànana noho ny famatsiana rongony ny mpianatra eny amin’ny manodidina eny. Naiditra am-ponja vonjimaika izy rehefa natolotra ny fampanoavana omaly saingy noho ny tsy fisokafan’Antanimora dia nentina notazonina ao amin’ny biraon’ny zandary indray.
VOATSINDRONA ANTSY
Notsindromin’ny mpanendaka antsy ny ramatoa iray omaly tolakandro rehefa tsy voasinton’ilay olon-dratsy ny paoketrany satria narovany fatratra. Izany fanoherana izany no nahatezitra ny mpanendaka ka nanindromany antsy. Niparitaka ny ra. Ny olona teo amin’ny manodidina no nanavotra ilay ramatoa sy nandefa taksi azy teny amin’ny hopitaly. Teo imason-janany vavy no nitranga izany rehetra izany.
MPANENDAKA TSY METY FAY
Efa im-balo nigadra mbola nanao ny asa fanendahana ihany ny lehilahy iray izay nosamborin’ny polisy tetsy Ampefiloha rehefa avy nanao sinto-mahery teo amin’ny fiantsonan’ny taksibe. Mipetraka avy hatrany ny fanontaniana hoe tsy misy sazy mafy kokoa ve ho an’ireo olona mpameri-keloka satria toa lasa manao « stage » fotsiny ireo rehefa mandalo Antanimora. Vokatr’izany tsy fatahorany ny sazy an-tranomaizina izany dia miverina manao ny asa ratsiny hatrany ireo rehefa mivoaka ny fonja.
FISAMBORANA ANY MORONDAVA
Efa manomboka ny fisamborana ao Morondava taorian’ny fahafatesan’ilay teratany frantsay izay nisy nitifitra tao an-tranony. Frantsay manambady malagasy io farany ary efa am-polony taona no nipetraka tao Morondava. Nisy nandroba ny tokantranony ny faran’ny herinandro teo ary teo am-piarovana ny fianakaviany sy ny fananany izy no notifirin’ireo olon-dratsy avy hatrany.
HALATRA HERINARATRA
Trano lehibe roa misy rihana telo no mangalatra herinaratry ny Jirama ka hita nandritry ny fidinana ifotony tampoka izay nataon’io orinasam-panjakana io. Vola 5.000 ariary isam-bolana no aloan’ny tompon’ilay tranobe, teo no nanomboka nahamahina ny Jirama. Hita tokoa fa kaontera efa tsy miasa intsony no tao ary jiro sintomina no nampiasaina. Mbola zarainy amin’ny tranobe faharoa indray aza izany. Tsy kely lalana ny ratsy eto an-drenivohitra.
LAKANA RENDRIKA
Nisy lakam-by rendrika tao amin'ny renirano iray mampitohy an'ny kaominina Fotsialanana sy Soanierana Ivongo omaly. Mpandeha am-polony no namoy ny ainy. Tokony ho tamin'ny 5 ora hariva ny loza no nitranga raha ny nambaran'ny mponina any an-toerana. Nihilangilana ity lakana ka izany no naharendrika azy ary mbola eo am-pikarohana ny razana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Andrasana ny vaovao ofisialy satria somary misy fahatapahana ireo tambajotran-tserasera rehetra any an-toerana.
HORONANTSARY FOHY
Hatao ny 13 -21 aprily izao ny RFC na ny “Rencontres du film court Madagascar » eo amin'ny tontolon'ny sarimihetsika fohy, andiany faha-6, ka 24 eo ny mpandray anjara ary ny 10 amin’ireo dia Malagasy avokoa. Hisongadina ny fandraisan’anjaran’ny Afrikanina amin’ity andiany faha-6 ity.
FITAZONANA AM-PONJA
Any amin'ny "violon" sy toerana manokana eny anivon'ny Biraon'ny polisim-pirenena sy ny zandary no hitazonana ireo olona tokony hampidirina am-ponja vonjimaika nanomboka ny 19 martsa noho ny grevin'ny mpandraharaha ny fonja.
PARAMEDICAUX
Hahemotra amin’ny faha 17 sy 18 aprily ny fifaninanana handraisana mpitsabo mpanampy na « paramédicaux » nivoaka avy amin’ny sekoly tsy miankina tokony hatao ny 27 sy 28 marsa izao. Anton’izany ny fahatapahan-dàlana sy ny olana isan-karazany vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Eliakim. Hatrany amin’ny 540 ireo mpitsabo mpanampy nivoaka tamin’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana no horaisina ho mpiasam-panjakana, ka hanaovana io fifaninanana io.
DIPLAOMA HOSOKA
Nisy diplaoma bakalorea hosoka tao amin’ny oniversiten’i Mahajanga nandritra ny fandraisana ny antontan-taratasy hidirana ho mpianatra taona voalohany farany teo. Nametraka fitoriana eny amin’ny tribonaly ny oniversite manoloana ity toe-draharaha ity. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.