Novidian’i Sherine Abdel Whab lafo ny vava navoakany momba ny reniranon’I Nil, izay manan-tantara sy manana ny maha izy azy ho an’ny firenena Egiptianina.
Renirano isan’ny malaza indrindra sy lava indrindra eran-tany io renirano io, izay mirefy 6 700 km sy mandala amina firenena maro toa an’i Ouganda, Kenya, Tanzanie, Soydan, Egypte,… Nandritra ny fampisehoana nataon’ny mpihira pop sady mpilalao sarimihetsika malaza Egiptianina Sherine Abdel Wahab anefa tany Emirats Arabes Unis anefa, dia nisy ny fanaratsiany io renirano io, ka nolazainy fa mankarary ny fisotroana ny ranon’I Nil, izay nahatezitra olona maro. Vokatr’izany dia nandray fepetra amin’ny fandrarana azy tsy hanao fampisehoana any Egypte ny fanjakana any an-toerana ary tsy vitan’izay fa mbola hiakatra fitsarana izy ny 23 desambra noho io fanaratsiana ny reniranon’I Nil, izay manana ny lazany sy mifamantotra amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.